Titanina

Titanina

Ny titanina na titaniôma dia singa metaly miloko fotsy toa volafotsy, mamirapiratra, nomena ny eva Ti sy isa atômika 22, ampiasaina indrindra mba hahazoana tsama maivana sy mafy. Ny titanina ao amin’ny vondrona IVb (tsanganana 4) amin' ny singa tetezamita ary hita ao amin' ny tsingerina fahefatra amin' ny tabilaon-tsingerina, miaraka amin' ny zirkôniôma (Zr), ny hafniôma (Hf) ary ny roterfôrdiôma (Rf). Hita ao amin' ny natiora amin' ny endrika ôksida ihany izy, dia azo "ahena" mba hamokatra metaly tetezamita mamirapiratra milokom-bolafotsy, kely hakitroka, sady mafy, mahatohitra ny harafesina vokatry ny siran-ranomasina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy