Toekarena

Harin-karena faobe isan' olona isaky ny firenena (taona 2020) (Fahefa-mividy - dôlara iraisam-pirenena)     >50,000      35,000–50,000      20,000–35,000      10,000–20,000      5,000–10,000      2,000–5,000      <2,000      Tsy nahazoana angona

Ny toekarena dia asa sy hetsika ataon' ny olombelona izay ahitana ny famokarana, ny fitsinjarana, ny fifanakalozana. ary ny fanjifana entana sy servisy. Maro samihafa ny rafi-pifanakalozana, ka ao anatin' izany ny toekarena fanomezana sy ny toekarenan-tsena ary ny toekarena takalo. Amin' ny ankapobeny dia faritana ho sehatra sôsialy manantitra ny fomba fanao sy ny lahateny ary ny fanehoana ara-materialy mifandray amin' ny famokarana sy ny fampiasana ary ny fitantanana ny loharanon-karena. Ny toekaren' ny firenena iray dia andiana dingana ahitana ny kolontsainy, ny soatoavina ao aminy, ny fanabeazana ao aminy, ny fivoaran' ny teknôlôjia ao aminy, ny tantarany, ny fandaminana ara-tsôsialy ao aminy, ny rafitra ara-pôlitikany, ny lalàna ao aminy ary ny loharanon-karena voajanahary ao aminy. Ireo anton-javatra ireo dia manome tontolo sy vontoaty, ary mametraka ny fepetra sy ny mason-tsivana izay iodinan' ny toekarena iray. Raha lazaina amin' ny teny hafa, ny sehatra ara-toekarena dia sehatra ara-tsôsialy misy fifandraisan' ny fomba amam-panao sy ny fifampiraharahan' ny olombelona izay tsy mandeha irery.

Eo amin' ny rafitra ara-toekarena isa-karazany, ny sasany, toy ny kôminisma dia mifototra amin' ny fanaovana fananana iombonana ny fitaovam-pamokarana. Mifanohitra amin' izany kosa ny kapitalisma izay mifototra amin' ny fanaovana fananan' olon-tsotra ny fitaovam-pamokarana.

Hatramin' i Colin Clark dia navahana ihany koa ny sehatr' asa isan-karazany ka ao anatin' izany ny fambolena sy fiompiana (na sehatra voalohany), ny indostria (na seha-pihariana faharoa) ary ny fanomezana servisy (na seha-pihariana fahatelo).

Ao anatin' ny toekarena dia avahana ihany koa ny sehatry ny varotra (izay ivarotana eny an-tsena ny famokarana), ny sehatry ny fanjakana, ny toekarena anatiny, ny toekarena sôsialy misy firaisankina na koa ny toekarena "ambanin' ny tany" izay tsy voafehin' ny andrim-panjakana ny asany.

Ny mpandraharaha ara-toekarena dia mety ho olon-tsotra, orinasa, fikambanana, na governemanta. Ny fifampiraharahana ara-toekarena dia mitranga rehefa misy vondrona na antoko roa manaiky ny vidin' ny entana na serivisy iray, izay matetika aseho amin' ny sandam-bola iray. Na izany aza, ampahany kely amin' ny sehatra ara-toekarena ihany ny fifanakalozana ara-bola.

Ny asa ara-toekarena dia atosiky ny famokarana izay mampiasa ny harena voajanahary sy ny asa ary ny renivola. Niova izany rehefa nandeha ny fotoana noho ny teknôlôjia, ny fanavaozana (vokatra, serivisy, dingana, fanitarana ny tsena, fampitomboana ny karazan' ny entana sy sevisy ao amin' ny tsena, tsena manokana, fampitomboana ny asan' ny fidiram-bola) ary fiovana eo amin' ny fifandraisana indostrialy (indrindra fa ny fampiasana zaza tsy ampy taona nosoloina any amin' ny faritra sasany amin' izao tontolo izao. miaraka amin' ny fidiran' ny rehetra amin' ny fianarana).

Ny toekarena dia halalinina ao amin' ny siansa ara-toekarena sy ao amin 'ny siansa sôsialy hafa koa toy ny sôsiôlôjia ara-toekarena na ny antrôpôlôjia ara-toekarena.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy